{
    "translation": "Baiboly Malagasy (1865)",
    "abbreviation": "mg1865",
    "lang": "mg",
    "language": "Malagasy",
    "direction": "LTR",
    "encoding": "UTF-8",
    "book_nr": 66,
    "book_name": "Revelation of John",
    "chapter": 17,
    "name": "Revelation of John 17",
    "verses": [
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 1,
            "name": "Revelation of John 17:1",
            "text": "  Ary tonga ny anjely anankiray tamin\u2019 izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia at\u1ef3; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin\u2019 ny rano maro, "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 2,
            "name": "Revelation of John 17:2",
            "text": "dia ilay nijangajangan\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny tany, sady natao leon\u2019 ny divain\u2019 ny fijangajangany ny mponina tamin\u2019 ny tany. "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 3,
            "name": "Revelation of John 17:3",
            "text": "Dia nentiny tamin\u2019 ny Fanahy ho any an\u2019 efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo. "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 4,
            "name": "Revelation of John 17:4",
            "text": "Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-t\u00e0nany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany; "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 5,
            "name": "Revelation of John 17:5",
            "text": "ary nisy anarana voasoratra teo amin\u2019 ny handriny nanao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN\u2019 NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN\u2019 NY TANY. "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 6,
            "name": "Revelation of John 17:6",
            "text": "Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon\u2019 ny ran ny olona mas\u00ecna sy ny ran\u2019 ny martioran\u2019 i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra. "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 7,
            "name": "Revelation of John 17:7",
            "text": "Ary hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga ianao? Izaho hilaza aminao ny zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibi-dia mitondra azy, izay manan-doha fito sy tandroka folo. "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 8,
            "name": "Revelation of John 17:8",
            "text": "Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin\u2019 ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin\u2019 ny fandringanana; ary ny monina ambonin\u2019 ny tany, dia izay tsy voasoratra eo amin\u2019 ny bokin\u2019 ny fiainana hatramin\u2019 ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibi-dia, izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray. "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 9,
            "name": "Revelation of John 17:9",
            "text": "Indro ny hevitra iray misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito, izay ipetrahan-dravehivavy. "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 10,
            "name": "Revelation of John 17:10",
            "text": "Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, ka ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely. "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 11,
            "name": "Revelation of John 17:11",
            "text": "Ary ny bibi-dia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman\u2019 ny fito mahavalo ary ka lasa ho amin\u2019 ny fandringanana. "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 12,
            "name": "Revelation of John 17:12",
            "text": "Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin\u2019 ny bibi-dia izy. "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 13,
            "name": "Revelation of John 17:13",
            "text": "Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an\u2019 ilay bibi-dia. "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 14,
            "name": "Revelation of John 17:14",
            "text": "Ireo dia hiady amin\u2019 ny Zanak\u2019 ondry, ary ny Zanak\u2019 ondry haharesy azy, satria Tompon\u2019 ny tompo sy Mpanjakan\u2019 ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky. "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 15,
            "name": "Revelation of John 17:15",
            "text": "Ary hoy izy tamiko: Ny rano ela hitanao, izay ipetrahan\u2019 ilay vehivavy janga, dia olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny. "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 16,
            "name": "Revelation of John 17:16",
            "text": "Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka ary sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin\u2019 ny afo. "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 17,
            "name": "Revelation of John 17:17",
            "text": "Fa Andriamanitra efa nanome fo ireo hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an\u2019 ilay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin\u2019 Andriamanitra. "
        },
        {
            "chapter": 17,
            "verse": 18,
            "name": "Revelation of John 17:18",
            "text": "Ary ravehivavy, ilay hitanao, dia tan\u00e0na lehibe, izay manjaka amin\u2019 ny mpanjakan\u2019 ny tany.  "
        }
    ]
}