{
    "translation": "Baiboly Malagasy (1865)",
    "abbreviation": "mg1865",
    "lang": "mg",
    "language": "Malagasy",
    "direction": "LTR",
    "encoding": "UTF-8",
    "book_nr": 62,
    "book_name": "1 John",
    "chapter": 1,
    "name": "1 John 1",
    "verses": [
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 1,
            "name": "1 John 1:1",
            "text": "  Izay hatramin\u2019 ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan\u2019 ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain\u2019 ny tananay, dia ny amin\u2019 ny Teny Fiainana "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 2,
            "name": "1 John 1:2",
            "text": "(fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin\u2019 ny Ray ka efa naseho taminay), \u2015 "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 3,
            "name": "1 John 1:3",
            "text": "izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin\u2019 ny Ray sy amin\u2019 i Jesosy Kristy Zanany. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 4,
            "name": "1 John 1:4",
            "text": "Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 5,
            "name": "1 John 1:5",
            "text": "Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 6,
            "name": "1 John 1:6",
            "text": "Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin\u2019 ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 7,
            "name": "1 John 1:7",
            "text": "Fa raha mandeha eo amin\u2019 ny mazava isika, tahaka Azy eo amin\u2019 ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran\u2019 i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin\u2019 ny ota rehetra. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 8,
            "name": "1 John 1:8",
            "text": "Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 9,
            "name": "1 John 1:9",
            "text": "Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin\u2019 ny tsi-fahamarinana rehetra. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 10,
            "name": "1 John 1:10",
            "text": "Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.   "
        }
    ]
}