{
    "translation": "Baiboly Malagasy (1865)",
    "abbreviation": "mg1865",
    "lang": "mg",
    "language": "Malagasy",
    "direction": "LTR",
    "encoding": "UTF-8",
    "book_nr": 59,
    "book_name": "James",
    "chapter": 1,
    "name": "James 1",
    "verses": [
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 1,
            "name": "James 1:1",
            "text": "  Jakoba, mpanompon\u2019 Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin\u2019 ny folo monina any am-pielezana. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 2,
            "name": "James 1:2",
            "text": "Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan\u2019 ny fakam-panahy samy hafa ianareo, "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 3,
            "name": "James 1:3",
            "text": "satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 4,
            "name": "James 1:4",
            "text": "Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 5,
            "name": "James 1:5",
            "text": "Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin\u2019 Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an\u2019 ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 6,
            "name": "James 1:6",
            "text": "Nefa aoka hangataka amin\u2019 ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin\u2019 ny rivotra ka atopatopany. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 7,
            "name": "James 1:7",
            "text": "Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin\u2019 ny Tompo izany olona izany: "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 8,
            "name": "James 1:8",
            "text": "olona miroa saina izy, miovaova amin\u2019 ny alehany rehetra. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 9,
            "name": "James 1:9",
            "text": "Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany; "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 10,
            "name": "James 1:10",
            "text": "fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin\u2019 ny ahitra izy. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 11,
            "name": "James 1:11",
            "text": "Fa miposaka ny masoandro mbamin\u2019 ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon\u2019 ny manan-karena amin\u2019 ny alehany. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 12,
            "name": "James 1:12",
            "text": "Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain\u2019 ny Tompo homena izay tia Azy. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 13,
            "name": "James 1:13",
            "text": "Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon\u2019 ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy; "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 14,
            "name": "James 1:14",
            "text": "fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin\u2019 ny filany sy fitahiny izy. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 15,
            "name": "James 1:15",
            "text": "Ary ny fil\u00e0na, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 16,
            "name": "James 1:16",
            "text": "Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 17,
            "name": "James 1:17",
            "text": "Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka mid\u00ecna avy amin\u2019 ny Rain\u2019 ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin\u2019 ny fihodinana. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 18,
            "name": "James 1:18",
            "text": "Tamin\u2019 ny sitrapony no niterahany antsika tamin\u2019 ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 19,
            "name": "James 1:19",
            "text": "Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra; "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 20,
            "name": "James 1:20",
            "text": "fa ny fahatezeran\u2019 ny olona tsy ahefana izay marina eo imason\u2019 Andriamanitra. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 21,
            "name": "James 1:21",
            "text": "Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin\u2019 ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 22,
            "name": "James 1:22",
            "text": "Fa aoka ho mpankat\u00f2 ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 23,
            "name": "James 1:23",
            "text": "Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankat\u00f2, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin\u2019 ny fitaratra izy; "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 24,
            "name": "James 1:24",
            "text": "fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin\u2019 izay dia hadinony ny tarehiny. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 25,
            "name": "James 1:25",
            "text": "Fa izay mandinika ny lal\u00e0na tanteraka, dia ny lal\u00e0n\u2019 ny fahafahana, ka maharitra amin\u2019 izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin\u2019 ny asany izany olona izany. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 26,
            "name": "James 1:26",
            "text": "Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan\u2019 izany olona izany. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 27,
            "name": "James 1:27",
            "text": "Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan\u2019 Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin\u2019 ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin\u2019 izao tontolo izao.  "
        }
    ]
}