{
    "translation": "Baiboly Malagasy (1865)",
    "abbreviation": "mg1865",
    "lang": "mg",
    "language": "Malagasy",
    "direction": "LTR",
    "encoding": "UTF-8",
    "book_nr": 51,
    "book_name": "Colossians",
    "chapter": 3,
    "name": "Colossians 3",
    "verses": [
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 1,
            "name": "Colossians 3:1",
            "text": "  Koa raha niara-natsangana tamin\u2019 i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin\u2019 ny itoeran\u2019 i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan\u2019 Andriamanitra. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 2,
            "name": "Colossians 3:2",
            "text": "Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra et\u1ef3 an-tany. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 3,
            "name": "Colossians 3:3",
            "text": "Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin\u2019 i Kristy ao amin\u2019 Andriamanitra. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 4,
            "name": "Colossians 3:4",
            "text": "Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin\u2019 ny voninahitra ianareo. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 5,
            "name": "Colossians 3:5",
            "text": "Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay et\u1ef3 an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany; "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 6,
            "name": "Colossians 3:6",
            "text": "fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran\u2019 Andriamanitra amin\u2019 ny zanaky ny tsi-fanarahana; "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 7,
            "name": "Colossians 3:7",
            "text": "izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 8,
            "name": "Colossians 3:8",
            "text": "Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin\u2019 ny vavanareo. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 9,
            "name": "Colossians 3:9",
            "text": "Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin\u2019 ny asany; "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 10,
            "name": "Colossians 3:10",
            "text": "ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin\u2019 ny fahalalana tsara araka ny endrik\u2019 izay nahary azy. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 11,
            "name": "Colossians 3:11",
            "text": "Fa amin\u2019 izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin\u2019 ny rehetra. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 12,
            "name": "Colossians 3:12",
            "text": "Koa mitafia famindram-po sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin\u2019 Andriamanitra sady mas\u00ecna no malala. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 13,
            "name": "Colossians 3:13",
            "text": "Mifandefera, ka mifamel\u00e0 heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin\u2019 ny sasany; tahaka ny namelan\u2019 ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 14,
            "name": "Colossians 3:14",
            "text": "Ary aoka ho ambonin\u2019 izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin\u2019 ny fahatanterahana izany. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 15,
            "name": "Colossians 3:15",
            "text": "Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan\u2019 i Kristy, fa ho amin\u2019 izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 16,
            "name": "Colossians 3:16",
            "text": "Aoka ny tenin\u2019 i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin\u2019 ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin\u2019 ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin\u2019 ny fahasoavana ao am-ponareo ho an\u2019 Andriamanitra. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 17,
            "name": "Colossians 3:17",
            "text": "Ary na inona na inona no ataonareo, na amin\u2019 ny teny, na amin\u2019 ny asa, dia ataovy amin\u2019 ny anaran\u2019 i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin\u2019 ny alalany. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 18,
            "name": "Colossians 3:18",
            "text": "Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin\u2019 ny Tompo. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 19,
            "name": "Colossians 3:19",
            "text": "Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 20,
            "name": "Colossians 3:20",
            "text": "Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin\u2019 ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin\u2019 ny Tompo izany. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 21,
            "name": "Colossians 3:21",
            "text": "Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 22,
            "name": "Colossians 3:22",
            "text": "Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin\u2019 ny zavatra rehetra, tsy amin\u2019 ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin\u2019 olona, fa amin\u2019 ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo; "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 23,
            "name": "Colossians 3:23",
            "text": "ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin\u2019 ny fo, tahaka ny ho an\u2019 ny Tompo, fa tsy ho an\u2019 olona, "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 24,
            "name": "Colossians 3:24",
            "text": "satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an\u2019 i Kristy Tompo ianareo. "
        },
        {
            "chapter": 3,
            "verse": 25,
            "name": "Colossians 3:25",
            "text": "Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan\u2019 olona,   "
        }
    ]
}