{
    "translation": "Baiboly Malagasy (1865)",
    "abbreviation": "mg1865",
    "lang": "mg",
    "language": "Malagasy",
    "direction": "LTR",
    "encoding": "UTF-8",
    "book_nr": 45,
    "book_name": "Romans",
    "chapter": 12,
    "name": "Romans 12",
    "verses": [
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 1,
            "name": "Romans 12:1",
            "text": "  Koa amin\u2019 izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon\u2019 Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, mas\u00ecna, sitrak\u2019 Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 2,
            "name": "Romans 12:2",
            "text": "Ary aza manaraka ny fanaon\u2019 izao tontolo izao; fa miov\u00e0 amin\u2019 ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon\u2019 Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 3,
            "name": "Romans 12:3",
            "text": "Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin\u2019 ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain\u2019 Andriamanitra ho anareo avy. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 4,
            "name": "Romans 12:4",
            "text": "Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 5,
            "name": "Romans 12:5",
            "text": "dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin\u2019 i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 6,
            "name": "Romans 12:6",
            "text": "Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana; "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 7,
            "name": "Romans 12:7",
            "text": "raha fanompoana amin\u2019 ny fiangonana, dia aoka ho amin\u2019 ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin\u2019 ny fampianarana; "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 8,
            "name": "Romans 12:8",
            "text": "raha mananatra, dia aoka ho amin\u2019 ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin\u2019 ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin\u2019 ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin\u2019 ny fifaliana. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 9,
            "name": "Romans 12:9",
            "text": "Aoka ny fitiavana ho amin\u2019 ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahal\u00e0 ny ratsy; mifikira amin\u2019 ny tsara. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 10,
            "name": "Romans 12:10",
            "text": "Mifankatiava araka ny fifankatiavan\u2019 ny mpirahalahy; mitariha lalana amin\u2019 ny fifanomezam-boninahitra. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 11,
            "name": "Romans 12:11",
            "text": "Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin\u2019 ny fanompoana ny Tompo. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 12,
            "name": "Romans 12:12",
            "text": "Mifalia amin\u2019 ny fanantenana; miareta amin\u2019 ny fahoriana; mahareta amin\u2019 ny fivavahana. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 13,
            "name": "Romans 12:13",
            "text": "Miantr\u00e0 ny olona mas\u00ecna araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 14,
            "name": "Romans 12:14",
            "text": "Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 15,
            "name": "Romans 12:15",
            "text": "Miaraha mifaly amin\u2019 izay mifaly, ary miaraha mitomany amin\u2019 izay mitomany. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 16,
            "name": "Romans 12:16",
            "text": "Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin\u2019 ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 17,
            "name": "Romans 12:17",
            "text": "Aza mamaly ratsy na amin\u2019 iza na amin\u2019 iza. Miom\u00e0na hanao izay mahamendrika eo imason\u2019 ny olona rehetra. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 18,
            "name": "Romans 12:18",
            "text": "Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin\u2019 ny olona rehetra. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 19,
            "name": "Romans 12:19",
            "text": "Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 20,
            "name": "Romans 12:20",
            "text": "Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany. "
        },
        {
            "chapter": 12,
            "verse": 21,
            "name": "Romans 12:21",
            "text": "Aza mety ho resin\u2019 ny ratsy ianao, fa reseo amin\u2019 ny soa ny ratsy.   "
        }
    ]
}