{
    "translation": "Baiboly Malagasy (1865)",
    "abbreviation": "mg1865",
    "lang": "mg",
    "language": "Malagasy",
    "direction": "LTR",
    "encoding": "UTF-8",
    "book_nr": 42,
    "book_name": "Luke",
    "chapter": 5,
    "name": "Luke 5",
    "verses": [
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 1,
            "name": "Luke 5:1",
            "text": "Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin\u2019 Andriamanitra, dia nijanona teo amoron\u2019 ny Farihin\u2019 i Genesareta Jesosy; "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 2,
            "name": "Luke 5:2",
            "text": "ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin\u2019 ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 3,
            "name": "Luke 5:3",
            "text": "Ary niditra teo amin\u2019 ny sambokely anankiray izay an\u2019 i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin\u2019 ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 4,
            "name": "Luke 5:4",
            "text": "Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin\u2019 i Simona: Mandrosoa ho any amin\u2019 ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 5,
            "name": "Luke 5:5",
            "text": "Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 6,
            "name": "Luke 5:6",
            "text": "Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 7,
            "name": "Luke 5:7",
            "text": "Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin\u2019 ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 8,
            "name": "Luke 5:8",
            "text": "Ary rehefa hitan\u2019 i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin\u2019 ny tongotr\u2019 i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mial\u00e0 amiko, fa olo-meloka aho. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 9,
            "name": "Luke 5:9",
            "text": "Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben\u2019 ny hazandrano izay azony. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 10,
            "name": "Luke 5:10",
            "text": "Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak\u2019 i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin\u2019 i Simona. Dia hoy Jesosy tamin\u2019 i Simona: Aza matahotra; hatramin\u2019 izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 11,
            "name": "Luke 5:11",
            "text": "Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an\u2019 i Jesosy. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 12,
            "name": "Luke 5:12",
            "text": "Ary raha tao an-tan\u00e0na anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 13,
            "name": "Luke 5:13",
            "text": "Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Ary ny habokany niala taminy niaraka tamin\u2019 izay. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 14,
            "name": "Luke 5:14",
            "text": "Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin\u2019 olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin\u2019 ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian\u2019 i Mosesy, ho vavolombelona amin\u2019 ireo. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 15,
            "name": "Luke 5:15",
            "text": "Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin\u2019 ny aretiny. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 16,
            "name": "Luke 5:16",
            "text": "Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 17,
            "name": "Luke 5:17",
            "text": "Ary tamin\u2019 ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dal\u00e0na, izay efa niala tamin\u2019 ny tan\u00e0na rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin\u2019 ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 18,
            "name": "Luke 5:18",
            "text": "Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin\u2019 ny fandriana, izay mararin\u2019 ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 19,
            "name": "Luke 5:19",
            "text": "Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan\u2019 ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin\u2019 ny fandriany ho eo afovoan\u2019 ny olona, dia teo anatrehan\u2019 i Jesosy. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 20,
            "name": "Luke 5:20",
            "text": "Ary raha hitan\u2019 i Jesosy ny finoan\u2019 ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 21,
            "name": "Luke 5:21",
            "text": "Fa ny mpanora-dal\u00e0na sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany? "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 22,
            "name": "Luke 5:22",
            "text": "Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo? "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 23,
            "name": "Luke 5:23",
            "text": "Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsang\u00e0na, ka mandehana? "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 24,
            "name": "Luke 5:24",
            "text": "Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak\u2019 olona manana fahefana et\u1ef3 ambonin\u2019 ny tany hamela heloka \u2015 dia hoy Izy tamin\u2019 ilay mararin\u2019 ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsang\u00e0na, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 25,
            "name": "Luke 5:25",
            "text": "Ary tamin\u2019 izay dia nitsangana teo anatrehan\u2019 ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an\u2019 Andriamanitra. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 26,
            "name": "Luke 5:26",
            "text": "Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an\u2019 Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 27,
            "name": "Luke 5:27",
            "text": "Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 28,
            "name": "Luke 5:28",
            "text": "Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 29,
            "name": "Luke 5:29",
            "text": "Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an\u2019 i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 30,
            "name": "Luke 5:30",
            "text": "Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dal\u00e0na izay teo aminy dia nimonomonona tamin\u2019 ny mpianatr\u2019 i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin\u2019 ny mpamory hetra sy ny mpanota? "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 31,
            "name": "Luke 5:31",
            "text": "Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 32,
            "name": "Luke 5:32",
            "text": "tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 33,
            "name": "Luke 5:33",
            "text": "Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr\u2019 i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an\u2019 ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 34,
            "name": "Luke 5:34",
            "text": "Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan\u2019 ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 35,
            "name": "Luke 5:35",
            "text": "Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra ny mpampakatra hiala aminy, dia amin\u2019 izany andro izany vao hifady izy. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 36,
            "name": "Luke 5:36",
            "text": "Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin\u2019 ny vaovao dia tsy hifanaraka amin\u2019 ny tonta. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 37,
            "name": "Luke 5:37",
            "text": "Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra; "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 38,
            "name": "Luke 5:38",
            "text": "Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao. "
        },
        {
            "chapter": 5,
            "verse": 39,
            "name": "Luke 5:39",
            "text": "Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara.   "
        }
    ]
}