{
    "translation": "Baiboly Malagasy (1865)",
    "abbreviation": "mg1865",
    "lang": "mg",
    "language": "Malagasy",
    "direction": "LTR",
    "encoding": "UTF-8",
    "book_nr": 42,
    "book_name": "Luke",
    "chapter": 20,
    "name": "Luke 20",
    "verses": [
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 1,
            "name": "Luke 20:1",
            "text": "Ary tamin\u2019 ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan\u2019 ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny lohan\u2019 ny mpisorona sy ny mpanora-dal\u00e0na ary ny loholona "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 2,
            "name": "Luke 20:2",
            "text": "ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany? "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 3,
            "name": "Luke 20:3",
            "text": "Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko: "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 4,
            "name": "Luke 20:4",
            "text": "Ny batisan\u2019 i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin\u2019 ny olona? "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 5,
            "name": "Luke 20:5",
            "text": "Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo? "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 6,
            "name": "Luke 20:6",
            "text": "Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin\u2019 ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 7,
            "name": "Luke 20:7",
            "text": "Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 8,
            "name": "Luke 20:8",
            "text": "Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 9,
            "name": "Luke 20:9",
            "text": "Dia nilaza izao fanoharana izao tamin\u2019 ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin\u2019 olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 10,
            "name": "Luke 20:10",
            "text": "Ary tamin\u2019 ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin\u2019 ny mpiasa tany izy mba handray amin\u2019 ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka nampandeha azy maina. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 11,
            "name": "Luke 20:11",
            "text": "Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka nampandehaniny maina. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 12,
            "name": "Luke 20:12",
            "text": "Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 13,
            "name": "Luke 20:13",
            "text": "Dia hoy ny tompon\u2019 ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 14,
            "name": "Luke 20:14",
            "text": "Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 15,
            "name": "Luke 20:15",
            "text": "Dia namoaka azy tany ivelan\u2019 ny tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon\u2019 ny tompon\u2019 ny tanim-boaloboka ahoana moa izy amin\u2019 izany? "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 16,
            "name": "Luke 20:16",
            "text": "Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany! "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 17,
            "name": "Luke 20:17",
            "text": "Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin\u2019 ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro?. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 18,
            "name": "Luke 20:18",
            "text": "Izay rehetra potraka amin\u2019 izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 19,
            "name": "Luke 20:19",
            "text": "Ary tamin\u2019 izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dal\u00e0na sy ny lohan\u2019 ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin\u2019 izany fanoharana izany. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 20,
            "name": "Luke 20:20",
            "text": "Ary nizaha taratra an\u2019 i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin\u2019 ny teniny, hanolorany Azy ho amin\u2019 ny hery sy ny fahefan\u2019 ny governora. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 21,
            "name": "Luke 20:21",
            "text": "Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra \u00f4, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan\u2019 olona, fa mampianatra marina ny lalan\u2019 Andriamanitra: "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 22,
            "name": "Luke 20:22",
            "text": "Mety va raha mandoa vola hetra ho an\u2019 i Kaisara izahay, sa tsia? "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 23,
            "name": "Luke 20:23",
            "text": "Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe: "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 24,
            "name": "Luke 20:24",
            "text": "Mampisehoa denaria amiko. An\u2019 iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An\u2019 i Kaisara. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 25,
            "name": "Luke 20:25",
            "text": "Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an\u2019 i Kaisara ary izay an\u2019 i Kaisara, ary ho an\u2019 Andriamanitra izay an\u2019 Andriamanitra. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 26,
            "name": "Luke 20:26",
            "text": "Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan\u2019 ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 27,
            "name": "Luke 20:27",
            "text": "Ary ny sasany tamin\u2019 ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan\u2019 ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe: "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 28,
            "name": "Luke 20:28",
            "text": "Mpampianatra \u00f4, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin\u2019 ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 29,
            "name": "Luke 20:29",
            "text": "Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 30,
            "name": "Luke 20:30",
            "text": "Ary ny faharoa "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 31,
            "name": "Luke 20:31",
            "text": "sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon\u2019 izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 32,
            "name": "Luke 20:32",
            "text": "Ary farany dia maty koa ravehivavy. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 33,
            "name": "Luke 20:33",
            "text": "Koa amin\u2019 ny fitsanganan\u2019 ny maty ho vadin\u2019 iza moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 34,
            "name": "Luke 20:34",
            "text": "Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak\u2019 izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina; "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 35,
            "name": "Luke 20:35",
            "text": "fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin\u2019 ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina; "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 36,
            "name": "Luke 20:36",
            "text": "ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin\u2019 ny anjely sady zanak\u2019 Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin\u2019 ny maty. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 37,
            "name": "Luke 20:37",
            "text": "Ary Mosesy aza nanambara teo amin\u2019 ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an\u2019 i Jehovah hoe Andriamanitr\u2019 i Abrahama sy Andriamanitr\u2019 isaka ary Andriamanitr\u2019 i Jakoba. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 38,
            "name": "Luke 20:38",
            "text": "Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an\u2019 ny velona; fa velona ho an\u2019 Andriamanitra avokoa izy rehetra. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 39,
            "name": "Luke 20:39",
            "text": "Ary ny mpanora-dal\u00e0na sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra \u00f4, marina izay nolazainao. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 40,
            "name": "Luke 20:40",
            "text": "Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 41,
            "name": "Luke 20:41",
            "text": "Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak\u2019 i Davida? "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 42,
            "name": "Luke 20:42",
            "text": "Fa Davida ihany no milaza eo amin\u2019 ny bokin\u2019 ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin\u2019 ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 43,
            "name": "Luke 20:43",
            "text": "Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran\u2019 ny tongotrao. "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 44,
            "name": "Luke 20:44",
            "text": "Davida amin\u2019 izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-zanany Azy? "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 45,
            "name": "Luke 20:45",
            "text": "Ary hoy Jesosy tamin\u2019 ny mpianany teo anatrehan\u2019 ny olona rehetra: "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 46,
            "name": "Luke 20:46",
            "text": "Mitandrema ny amin\u2019 ny mpanora-dal\u00e0na, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain\u2019 ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin\u2019 ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin\u2019 ny fanasana, "
        },
        {
            "chapter": 20,
            "verse": 47,
            "name": "Luke 20:47",
            "text": "ary mandany ny tranon\u2019 ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.   "
        }
    ]
}