{
    "translation": "Baiboly Malagasy (1865)",
    "abbreviation": "mg1865",
    "lang": "mg",
    "language": "Malagasy",
    "direction": "LTR",
    "encoding": "UTF-8",
    "book_nr": 39,
    "book_name": "Malachi",
    "chapter": 1,
    "name": "Malachi 1",
    "verses": [
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 1,
            "name": "Malachi 1:1",
            "text": "  Teny faminaniana avy tamin\u2019 i Jehovah nampitondrainy an\u2019 i Malakia ho amin\u2019 ny Isiraely. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 2,
            "name": "Malachi 1:2",
            "text": "Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin\u2019 i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako, "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 3,
            "name": "Malachi 1:3",
            "text": "fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an\u2019 ny amboadia any an-efitra. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 4,
            "name": "Malachi 1:4",
            "text": "Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava dia izao no lazain\u2019 i Jehovah, Tompon\u2019 ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin\u2019 ny faharatsiana, dia firenena tezeran\u2019 i Jehovah mandrakizay, ireo. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 5,
            "name": "Malachi 1:5",
            "text": "Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin\u2019 ny Isiraely. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 6,
            "name": "Malachi 1:6",
            "text": "Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon\u2019 ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako, nefa manao hoe: Amin\u2019 inona no anamavoanay ny anaranao? "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 7,
            "name": "Malachi 1:7",
            "text": "Amin\u2019 ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin\u2019 ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin\u2019 inona no andotoanay Anao? Amin\u2019 ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr\u2019 i Jehovah dia fanazimbazimba. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 8,
            "name": "Malachi 1:8",
            "text": "Ary raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra, tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy hoe izany! Atero ho an\u2019 ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah Tompon\u2019 ny maro. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 9,
            "name": "Malachi 1:9",
            "text": "Koa mas\u00ecna ianareo, andeha mifona amin\u2019 Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny tananareo no nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon\u2019 ny maro. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 10,
            "name": "Malachi 1:10",
            "text": "Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin\u2019 ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin\u2019 ny tananareo, hoy Jehovah, Tompon\u2019 ny maro. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 11,
            "name": "Malachi 1:11",
            "text": "Fa hatramin\u2019 ny fiposahan\u2019 ny masoandro ka hatramin\u2019 ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin\u2019 ny jentilisa, ary any amin\u2019 ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an\u2019 ny anarako; fa lehibe any amin\u2019 ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon\u2019 ny maro. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 12,
            "name": "Malachi 1:12",
            "text": "Fa ianareo kosa manamavo izany amin\u2019 ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr\u2019 i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 13,
            "name": "Malachi 1:13",
            "text": "Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon\u2019 ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin\u2019 ny tenanareo va Aho? hoy Jehovah. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 14,
            "name": "Malachi 1:14",
            "text": "Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin\u2019 ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an\u2019 ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon\u2019 ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin\u2019 ny jentilisa.  "
        }
    ]
}