{
    "translation": "Baiboly Malagasy (1865)",
    "abbreviation": "mg1865",
    "lang": "mg",
    "language": "Malagasy",
    "direction": "LTR",
    "encoding": "UTF-8",
    "book_nr": 28,
    "book_name": "Hosea",
    "chapter": 7,
    "name": "Hosea 7",
    "verses": [
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 1,
            "name": "Hosea 7:1",
            "text": "Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok\u2019 i Efraima sy ny faharatsian\u2019 i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany. "
        },
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 2,
            "name": "Hosea 7:2",
            "text": "Ary tsy heveriny ao am-po fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan\u2019 ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany. "
        },
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 3,
            "name": "Hosea 7:3",
            "text": "Amin\u2019 ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin\u2019 ny laingany ny mpanapaka. "
        },
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 4,
            "name": "Hosea 7:4",
            "text": "Samy mpaka vadin\u2019 olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan\u2019 ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin\u2019 ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony. "
        },
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 5,
            "name": "Hosea 7:5",
            "text": "Tamin\u2019 ny andron\u2019 ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin\u2019 ny fanafanan\u2019 ny herin\u2019 ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin\u2019 ny mpaniratsira ny mpanjaka. "
        },
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 6,
            "name": "Hosea 7:6",
            "text": "Fa entin\u2019 ireo ho ao am-panotrehana ny fony, toy ny ho ao amin\u2019 ny fatana; Mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanendy azy, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana. "
        },
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 7,
            "name": "Hosea 7:7",
            "text": "Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy rehetra. "
        },
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 8,
            "name": "Hosea 7:8",
            "text": "Efraima dia miharoharo amin\u2019 ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika. "
        },
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 9,
            "name": "Hosea 7:9",
            "text": "Lanin\u2019 ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany. "
        },
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 10,
            "name": "Hosea 7:10",
            "text": "Ary ny avonavon\u2019 Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin\u2019 i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy. "
        },
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 11,
            "name": "Hosea 7:11",
            "text": "Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an\u2019 i Egypta izy ary efa mankany Asyria. "
        },
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 12,
            "name": "Hosea 7:12",
            "text": "Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin\u2019 ny fiangonany. "
        },
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 13,
            "name": "Hosea 7:13",
            "text": "Lozan\u2019 ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy. "
        },
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 14,
            "name": "Hosea 7:14",
            "text": "Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko. "
        },
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 15,
            "name": "Hosea 7:15",
            "text": "Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy, "
        },
        {
            "chapter": 7,
            "verse": 16,
            "name": "Hosea 7:16",
            "text": "Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin\u2019 ny Avo; Tonga tahaka ny tsip\u00ecka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin\u2019 ny tany Egypta.  "
        }
    ]
}