{
    "translation": "Baiboly Malagasy (1865)",
    "abbreviation": "mg1865",
    "lang": "mg",
    "language": "Malagasy",
    "direction": "LTR",
    "encoding": "UTF-8",
    "book_nr": 21,
    "book_name": "Ecclesiastes",
    "chapter": 1,
    "name": "Ecclesiastes 1",
    "verses": [
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 1,
            "name": "Ecclesiastes 1:1",
            "text": "  Ny tenin\u2019 i Mpitoriteny, zanak\u2019 i Davida, mpanjaka tany Jerosalema. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 2,
            "name": "Ecclesiastes 1:2",
            "text": "Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra! "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 3,
            "name": "Ecclesiastes 1:3",
            "text": "Inona no soa azon\u2019 ny olona amin\u2019 ny fisasarany rehetra izay isasarany at\u1ef3 ambanin\u2019 ny masoandro? "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 4,
            "name": "Ecclesiastes 1:4",
            "text": "Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 5,
            "name": "Ecclesiastes 1:5",
            "text": "Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin\u2019 ny fitoerana izay niposahany. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 6,
            "name": "Ecclesiastes 1:6",
            "text": "Mianatsimo ny rivotra, dia mihod\u00ecna mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 7,
            "name": "Ecclesiastes 1:7",
            "text": "Ny renirano rehetra dia samy mankamin\u2019 ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin\u2019 izay falehan\u2019 ny renirano ihany no iverenany indray. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 8,
            "name": "Ecclesiastes 1:8",
            "text": "Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 9,
            "name": "Ecclesiastes 1:9",
            "text": "Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory at\u1ef3 ambanin\u2019 ny masoandro. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 10,
            "name": "Ecclesiastes 1:10",
            "text": "Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin\u2019 ny andro talohantsika ihany izany. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 11,
            "name": "Ecclesiastes 1:11",
            "text": "Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan\u2019 izay handimby azy.  "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 12,
            "name": "Ecclesiastes 1:12",
            "text": "  Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan\u2019 ny Isiraely tany Jerosalema; "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 13,
            "name": "Ecclesiastes 1:13",
            "text": "ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao at\u1ef3 ambanin\u2019 ny lanitra; asa mahareraka omen\u2019 Andriamanitra hisasaran\u2019 ny zanak\u2019 olombelona izany. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 14,
            "name": "Ecclesiastes 1:14",
            "text": "Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao at\u1ef3 ambanin\u2019 ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 15,
            "name": "Ecclesiastes 1:15",
            "text": "Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 16,
            "name": "Ecclesiastes 1:16",
            "text": "Hoy izaho tamin\u2019 ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka. "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 17,
            "name": "Ecclesiastes 1:17",
            "text": "Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany, "
        },
        {
            "chapter": 1,
            "verse": 18,
            "name": "Ecclesiastes 1:18",
            "text": "satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.  "
        }
    ]
}