{
    "translation": "Baiboly Malagasy (1865)",
    "abbreviation": "mg1865",
    "lang": "mg",
    "language": "Malagasy",
    "direction": "LTR",
    "encoding": "UTF-8",
    "book_nr": 15,
    "book_name": "Ezra",
    "chapter": 2,
    "name": "Ezra 2",
    "verses": [
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 1,
            "name": "Ezra 2:1",
            "text": "  Ary izao no olona amin\u2019 izany tany izany izay niakatra avy amin\u2019 ny fahababoana, izay nobaboin\u2019 i Nebokadnezara, mpanjakan\u2019 i Babylona, ka nentiny ho any Babylona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tan\u00e0nany avy, "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 2,
            "name": "Ezra 2:2",
            "text": "dia ny olona izay niaraka tamin\u2019 i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Seraia sy Relaia sy Mordekay sy Bilsana sy Mispara sy Bigvay sy Rehoma ary Bana. Ary ny isan\u2019 ny lehilahy tamin\u2019 ny Isiraely dia izao: "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 3,
            "name": "Ezra 2:3",
            "text": "Ny taranak\u2019 i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 4,
            "name": "Ezra 2:4",
            "text": "ny taranak\u2019 i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 5,
            "name": "Ezra 2:5",
            "text": "ny taranak\u2019 i Ara dia dimy amby fito-polo amby fiton-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 6,
            "name": "Ezra 2:6",
            "text": "ny taranak\u2019 i Pahatamoaba, avy tamin\u2019 ny zanak\u2019 i Jesoa sy Joaba, dia roa ambin\u2019 ny folo amby valon-jato sy roa arivo; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 7,
            "name": "Ezra 2:7",
            "text": "ny taranak\u2019 i Eliama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 8,
            "name": "Ezra 2:8",
            "text": "ny taranak\u2019 i Zato dia dimy amby efa-polo amby sivin-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 9,
            "name": "Ezra 2:9",
            "text": "ny taranak\u2019 i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 10,
            "name": "Ezra 2:10",
            "text": "ny taranak\u2019 i Bany dia roa amby efa-polo amby enin-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 11,
            "name": "Ezra 2:11",
            "text": "ny taranak\u2019 i Bebay dia telo amby roa-polo amby enin-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 12,
            "name": "Ezra 2:12",
            "text": "ny taranak\u2019 i Azgada dia roa amby roa-polo amby roan-jato sy arivo; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 13,
            "name": "Ezra 2:13",
            "text": "ny taranak\u2019 i Adonikama dia enina amby enim-polo amby enin-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 14,
            "name": "Ezra 2:14",
            "text": "ny taranak\u2019 i Bigvay dia enina amby dimam-polo sy roa arivo; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 15,
            "name": "Ezra 2:15",
            "text": "ny taranak\u2019 i Adina dia efatra amby dimam-polo amby efa-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 16,
            "name": "Ezra 2:16",
            "text": "ny taranak\u2019 i Atera, avy tamin\u2019 i Hezekia, dia valo amby sivi-folo; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 17,
            "name": "Ezra 2:17",
            "text": "ny taranak\u2019 i Bezay dia telo amby roa-polo amby telon-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 18,
            "name": "Ezra 2:18",
            "text": "ny taranak\u2019 i Jora dia roa ambin\u2019 ny folo amby zato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 19,
            "name": "Ezra 2:19",
            "text": "ny taranak\u2019 i Hasoma dia telo amby roa-polo amby roan-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 20,
            "name": "Ezra 2:20",
            "text": "ny zanak\u2019 i Gibara dia dimy amby sivi-folo; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 21,
            "name": "Ezra 2:21",
            "text": "ny zanak\u2019 i Betlehema dia telo amby roa-polo amby zato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 22,
            "name": "Ezra 2:22",
            "text": "ny mponina tany Netofa dia enina amby dimam-polo; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 23,
            "name": "Ezra 2:23",
            "text": "ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 24,
            "name": "Ezra 2:24",
            "text": "ny zanak\u2019 i Azmaveta dia roa amby efa-polo; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 25,
            "name": "Ezra 2:25",
            "text": "ny zanak\u2019 i Kiriat-arima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 26,
            "name": "Ezra 2:26",
            "text": "ny zanak\u2019 i Rama sy Gaba dia iraika amby roa-polo amby enin-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 27,
            "name": "Ezra 2:27",
            "text": "ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 28,
            "name": "Ezra 2:28",
            "text": "ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby roan-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 29,
            "name": "Ezra 2:29",
            "text": "ny zanak\u2019 i Nebo dia roa amby dimam-polo; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 30,
            "name": "Ezra 2:30",
            "text": "ny taranak i Magbisy dia enina amby dimam-polo amby zato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 31,
            "name": "Ezra 2:31",
            "text": "ny zanak\u2019 ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 32,
            "name": "Ezra 2:32",
            "text": "ny taranak\u2019 i Harima dia roa-polo amby telon-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 33,
            "name": "Ezra 2:33",
            "text": "ny zanak\u2019 i Loda sy Hadida ary Ono dia dimy amby roa-polo amby fiton-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 34,
            "name": "Ezra 2:34",
            "text": "ny zanak\u2019 i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 35,
            "name": "Ezra 2:35",
            "text": "ny zanak\u2019 i Sena dia telo-polo amby enin-jato sy telo arivo. "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 36,
            "name": "Ezra 2:36",
            "text": "Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak\u2019 i Jedaia, avy tamin\u2019 ny mpianakavin\u2019 i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 37,
            "name": "Ezra 2:37",
            "text": "ny taranak\u2019 Imera dia roa amby dimam-polo sy arivo; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 38,
            "name": "Ezra 2:38",
            "text": "ny taranak\u2019 i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 39,
            "name": "Ezra 2:39",
            "text": "ny taranak\u2019 i Harima dia fito ambin\u2019 ny folo sy arivo. "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 40,
            "name": "Ezra 2:40",
            "text": "Ary ny Levita koa dia izao: Ny taranak\u2019 i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin\u2019 ny taranak\u2019 i Hodavia, dia efatra amby fito-polo. "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 41,
            "name": "Ezra 2:41",
            "text": "Ary ny mpihira koa dia izao; Ny taranak\u2019 i Asafa dia valo amby roa-polo amby zato. "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 42,
            "name": "Ezra 2:42",
            "text": "Ary ny taranaky ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak\u2019 i Saloma, ny taranak\u2019 i Atera, ny taranak\u2019 i Talmona, ny taranak\u2019 i Akoba, ny taranak\u2019 i Hatita, ny taranak\u2019 i Sobay, dia sivy amby telo-polo amby zato izy rehetra. "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 43,
            "name": "Ezra 2:43",
            "text": "Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak\u2019 i Ziha, ny taranak\u2019 i Hasofa, ny taranak\u2019 i Tabaota, "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 44,
            "name": "Ezra 2:44",
            "text": "ny taranak\u2019 i Kerosa, ny taranak\u2019 i Siaha, ny taranak\u2019 i Padona, "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 45,
            "name": "Ezra 2:45",
            "text": "ny taranak\u2019 i Lebana, ny taranak\u2019 i Hagabaha, ny taranak\u2019 i Akoba, "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 46,
            "name": "Ezra 2:46",
            "text": "ny taranak\u2019 i Hagaba, ny taranak\u2019 i Salmay, ny taranak\u2019 i Hanana, "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 47,
            "name": "Ezra 2:47",
            "text": "ny taranak\u2019 i Gidela, ny taranak\u2019 i Gahara, ny taranak\u2019 i Reaia, "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 48,
            "name": "Ezra 2:48",
            "text": "ny taranak\u2019 i Rezina, ny taranak\u2019 i Nekoda, ny taranak\u2019 i Gazama, "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 49,
            "name": "Ezra 2:49",
            "text": "ny taranak\u2019 i Oza, ny taranak\u2019 i Pasea, ny taranak\u2019 i Besay, "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 50,
            "name": "Ezra 2:50",
            "text": "ny taranak\u2019 i Asna, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita, "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 51,
            "name": "Ezra 2:51",
            "text": "ny taranak\u2019 i Bakboka, ny taranak\u2019 i Hakofa, ny taranak\u2019 i Harora, "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 52,
            "name": "Ezra 2:52",
            "text": "ny taranak\u2019 i Bazlota, ny taranak\u2019 i Mehida, ny taranak\u2019 i Harsa, "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 53,
            "name": "Ezra 2:53",
            "text": "ny taranak\u2019 i Barkosa, ny taranak\u2019 i Sisera, ny taranak\u2019 i Tema, "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 54,
            "name": "Ezra 2:54",
            "text": "ny taranak\u2019 i Nezia, ny taranak\u2019 i Hatifa. "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 55,
            "name": "Ezra 2:55",
            "text": "Ary ny taranaky ny mpanompon\u2019 i Solomona koa dia izao: Ny taranak\u2019 i Sotahy, ny taranak\u2019 i Sofereta, ny taranak\u2019 i Peroda, "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 56,
            "name": "Ezra 2:56",
            "text": "ny taranak\u2019 i Jala, ny taranak\u2019 i Darkona, ny taranak\u2019 i Gidela, "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 57,
            "name": "Ezra 2:57",
            "text": "ny taranak\u2019 i Sefatia, ny taranak\u2019 i Hatila, ny taranak\u2019 i Pokereta-hazebaima, ny taranak\u2019 i Amy. "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 58,
            "name": "Ezra 2:58",
            "text": "Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon\u2019 i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato. "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 59,
            "name": "Ezra 2:59",
            "text": "Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin\u2019 ny Isiraely, na tsia): "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 60,
            "name": "Ezra 2:60",
            "text": "ny taranak\u2019 i Delaia, ny taranak\u2019 i Tobia, ny taranak\u2019 i Nekoda, dia roa amby dimam-polo amby enin-jato. "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 61,
            "name": "Ezra 2:61",
            "text": "Ary ny avy tamin\u2019 ny taranaky ny mpisorona dia izao: Ny taranak\u2019 i Habaia, ny taranak\u2019 i Hakoza, ny taranak\u2019 i Barzilay; nampaka-bady avy tamin\u2019 ny zanakavavin\u2019 i Barzilay Gileadita io, ka dia notononina araka ny anarany. "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 62,
            "name": "Ezra 2:62",
            "text": "Ireo no nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin\u2019 ny fisoronana. "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 63,
            "name": "Ezra 2:63",
            "text": "Ary ny governora nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana ny zavatra mas\u00ecna indrindra izy mandra-pitsangan\u2019 izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima. "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 64,
            "name": "Ezra 2:64",
            "text": "Ny tontalin\u2019 ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina, "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 65,
            "name": "Ezra 2:65",
            "text": "afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nisy mpihiralahy sy mpihiravavy roan-jato teo aminy; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 66,
            "name": "Ezra 2:66",
            "text": "ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato; "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 67,
            "name": "Ezra 2:67",
            "text": "ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo. "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 68,
            "name": "Ezra 2:68",
            "text": "Ary ny sasany tamin\u2019 ny lohan\u2019 ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon\u2019 i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin\u2019 ny sitrapo hananganana ny tranon\u2019 Andriamanitra eo amin\u2019 ilay efa niorenany. "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 69,
            "name": "Ezra 2:69",
            "text": "Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa, dia darika volamena arivo sy enina alina ary mane volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona zato. "
        },
        {
            "chapter": 2,
            "verse": 70,
            "name": "Ezra 2:70",
            "text": "Ary samy tafapetraka teny an-tan\u00e0nany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny sasany tamin\u2019 ny vahoaka sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra samy tao an-tan\u00e0nany avy.  "
        }
    ]
}